About us
Regroupe et fédère l'ensemble de la Communauté WordPress malagasy : que vous soyez utilisateur novice, administrateur de sites, développeurs de plugins ou de thèmes, ou contributeurs (traductions, core, ...).
Mandrosoa dia mipetrapetraha fa antsika Fianakaviambe WordPress Malagasy rehetra ity vondrona ity, sady vondrona ofisialy misahana ny fandikana ny WordPress ho amin'ny teny malagasy sy mampivondrona ireo mpikirakira WP rehetra : na mpampiasa vao hianatra, na efa mpitantana tranonkala, na mpamorona plugins/themes, indrindra raha efa mpandray anjara amin'ny Core sy ny fandikana ny WordPress ho amin'ny teny malagasy
mg.wordpress.org
- Araho ny pejy facebook : https://www.facebook.com/wordpressMG
- Midira amin'ny groupe facebook : https://www.facebook.com/groups/wordpress.mada
- Mandraisa anjara : https://mg.wordpress.org/handray-anjara
Upcoming events
1

Ainteny
Antananarivo, Airport, MGAndao mba hanonofy kely hoe: inona no hiseho raha amin'ny teny malagasy daholo ny zava-drehetra eto Madagasikara?
🇲🇬 Ho betsaka ny asa hiforona manodidina ny teny malagasy.
📚 Hahazo ny fahalalana tokony ho izy amin'izay ireo Malagasy 80% tsy miteny afa-tsy teny malagasy.
🙌 Hahazo asa, hamorona asa, hanangana tetikasa ny Malagasy maroanisa.
🚀 Hivoatra ny haikintana, ny haikanto, ny haify, ny haifiaina, ny indostria, ny rôbôtika, ny kajimirindra, ny siantsa, ny haitarika, ny fitantanana, ny fandraharahana, ny serasera, ny fahasalamana...
Hiroborobo tanteraka ny toekarena.Nofinofy aloha izany hatreto, nefa "rehefa hainao ny manonofy zavatra iray, hainao ny manatanteraka azy" hoy i Walt Disney.
Resy lahatra izahay ato amin'ny Teny Gasy 2.0 sy ny Wordpress MAlagasy, fa raha samy mandray ny anjara tandrify azy ny tsirairay sy ny sehatra samihafa dia hahavita dingana lehibe isika.
Izany indrindra no antony namoronanay sy hikarakaranay ny hetsika AINTENY, hetsika goavana iray hanomezan-danja ny fampiasana ny teny malagasy amin'ny sehatra rehetra.
🗓️ 19 sy 20 jona 2026
"Ny teny malagasy mahalaza ny ankehitriny sy ny hoavy"Manasa anao hanohana ny fikarakarana ny hetsika AINTENY
https://fr.ulule.com/ainteny/3 attendees
Past events
5







